Mpitsara 18:11-16 Malagasy Bible (MG1865)

11. Dia nisy niainga avy tamin'ny fokon'i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany.

12. Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran'izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana; indro, eo andrefan'i Kiriata-jearima izany).

13. Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao an-tranon'i Mika.

14. Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo.

15. Dia nivily tao izy ka tonga tao an-tranon'ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon'i Mika, ka niarahaba azy.

16. Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany, izay avy tamin'ny taranak'i Dana, dia nijanona teo anoloan'ny vavahady.

Mpitsara 18