Mpitsara 17:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Nisy lehilahy tany amin'ny tany havoan'i Efraima, Mika no anarany.

2. Ary hoy izy tamin'ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin'i Jehovah anie ny zanako.

3. Ary rehefa naveriny tamin'ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako ho an'i Jehovah mihitsy ity vola avy amin'ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.

4. Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon'i Mika izany.

Mpitsara 17