2. Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin'ny fokon'ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
3. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
4. Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.
5. Fa, indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin'ny tanan'ny Filistina.
6. Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin'ny vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin'Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.