3. Izao no fahoriana amin'izay rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno ratsy ny fon'ny zanak'olombelona, ka fahadalana no ao am-pony amin'ny andro iainany, ary nony afaka izany, dia ho any amin'ny maty izy.
4. Fa izay rehetra isan'ny velona dia mbola hantenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.
5. Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
6. Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao atỳ ambanin'ny masoandro izy.
7. Mandehana, hano amin'ny fifaliana ny haninao, ary sotroy amin'ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan'Andriamanitra ela ny asanao.
8. Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao, ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.