Mpitoriteny 5:16-19 Malagasy Bible (MG1865)

16. Ary koa, homa-maizina amin'ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.

17. Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana rehetra izay isasaran'ny olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy iainany omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.

18. Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.

19. Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy, satria ny fahafinaretan'ny fony no avalin'Andriamanitra azy.

Mpitoriteny 5