Mpitoriteny 5:1-7 Malagasy Bible (MG1865)

1. Aza haingam-bava, ary aza malaky manonona teny eo anatrehan'Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.

2. Fa ny haben'ny fisasarana no mahatonga ny nofy; ary ny haben'ny teny no isehoan'ny rediredin'ny adala.

3. Raha mivoady amin'Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava: fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao.

4. Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.

5. Aza avela hahatonga heloka amin'ny tenanao ny vavanao; ary aza manao eo imason'ny anjely hoe: Niteny tsy nahy aho; nahoana no ho tezitra amin'ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan'ny tananao?

6. Fa amin'ny haben'ny nofy dia misy zava-poana; ary toy izany koa ny haben'ny teny, fa Andriamanitra no atahory.

7. Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin'ny tany, dia aza gaga amin'izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.

Mpitoriteny 5