Mpitoriteny 4:1-3 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin'ny masoandro; ary indro ny ranomason'ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon'ny tanan'ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.

2. Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,

3. nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin'ny masoandro akory.

Mpitoriteny 4