Mpitoriteny 3:20-22 Malagasy Bible (MG1865)

20. Izy rehetra samy mankamin'ny fitoerana iray: avy tamin'ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray izy rehetra.

21. Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia?

22. Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?

Mpitoriteny 3