1. Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
2. Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo atỳ ambonin'ny tany.
3. Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin'ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo, dia eo amin'izay ianjerany ihany no handriany.