11. Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?
12. Soa ny teny aloaky ny vavan'ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.
13. Ny fiandohan'ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran'ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
14. Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?
15. Ny fisasaran'ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanĂ na aza tsy fantany akory.
16. Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!
17. Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan'andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin'izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!