Matio 25:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.

2. Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.

3. Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;

4. ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.

Matio 25