Matio 24:30-35 Malagasy Bible (MG1865)

30. Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ary hahita ny Zanak'olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy.

31. Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra.

32. Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.

33. Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.

34. Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan'izany rehetra izany.

35. Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.

Matio 24