Matio 17:3-16 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary, indreo, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy.

4. Dia niteny Petera ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.

5. Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.

6. Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.

7. Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.

8. Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.

9. Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.

10. Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan'ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?

11. Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.

12. Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak'olona.

13. Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.

14. Ary rehefa tonga teo amin'ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe:

15. Tompoko, mamindrà fo amin'ny zanako-lahy, fa mararin'ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin'ny afo, ary matetika ao amin'ny rano.

16. Ary nitondra azy tamin'ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy.

Matio 17