Matio 15:37-39 Malagasy Bible (MG1865)

37. Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.

38. Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.

39. Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin'ny sisin-tanin'i Magadana.

Matio 15