2. Ary izao no anaran'ny Apostoly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
3. Filipo sy Bartolomeo; Tomasy sy Matio mpamory hetra; Jakoba, zanak'i Alfeo,
4. sy Tadeo; Simona Kananeana ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
5. Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny lalan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanĂ nan'ny Samaritana,
6. fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely.