Marka 3:7-9 Malagasy Bible (MG1865)

7. Ary Jesosy mbamin'ny mpianany niala teo ka nankany amin'ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia

8. sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin'i Jordana ary tamin'ny tany manodidina an'i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.

9. Ary Izy nilaza tamin'ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan'ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.

Marka 3