Marka 2:5-8 Malagasy Bible (MG1865)

5. Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.

6. Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:

7. Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra?

8. Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?

Marka 2