32. Ary tonga tany amin'ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
33. Ary nitondra an'i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra.
34. Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.
35. Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin'ny tany ka nivavaka mba hialan'izany ora izany aminy, raha azo atao.
36. Ary hoy Izy: Aba, Raiko รด, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
37. Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao?