15. Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika.
16. Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanĂ na ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
17. Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin'ny folo lahy.
18. Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
19. Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany?
20. Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin'ny roa ambin'ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin'ny lovia no izy.