Marka 13:11-18 Malagasy Bible (MG1865)

11. Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.

12. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy.

13. Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

14. Fa raha hitanareo mitsangana amin'izay tsy mety hitsanganany ny fahavetavetan'ny fandravana (Dan. 12. 11; 9. 27) (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.

15. Ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina na hiditra haka zavatra ao an-tranony.

16. Ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.

17. Ary lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany!

18. Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin'ny ririnina izany.

Marka 13