Lioka 9:3-7 Malagasy Bible (MG1865)

3. Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.

4. Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.

5. Ary izay tsy mampandroso, anareo, raha miala amin'izany tanĂ na izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.

6. Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.

7. Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan'ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin'ny maty;

Lioka 9