Lioka 24:50-53 Malagasy Bible (MG1865)

50. Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.

51. Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.

52. Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.

53. Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra.

Lioka 24