Lioka 23:6-10 Malagasy Bible (MG1865)

6. Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.

7. Ary rehefa fantany fa avy tamin'ny tany tapahin'i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin'i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin'izany andro izany.

8. Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an'i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.

9. Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.

10. Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy.

Lioka 23