Lioka 18:22-30 Malagasy Bible (MG1865)

22. Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an'ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.

23. Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.

24. Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!

25. Fa ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!

26. Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?

27. Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.

28. Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.

29. Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan'Andriamanitra,

30. izay tsy handray be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao, ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.

Lioka 18