Levitikosy 6:21-23 Malagasy Bible (MG1865)

21. Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.

22. Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masina dia masina izany.

23. Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drĂ  ho entina ao amin'ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin'ny fitoerana masina, dia tsy hohanina; hodorana amin'ny afo izany.

Levitikosy 6