Levitikosy 26:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. AZA manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin'ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

2. Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masina: Izaho no Jehovah.

3. Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany,

4. dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.

5. Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin'ny taninareo.

Levitikosy 26