Levitikosy 24:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:

2. Mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva.

3. Eo ivelan'ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin'ny trano-lay fihaonana, no handaharan'i Arona azy, hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina, eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany.

4. Eo amin'ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.

5. Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin'ny folo; roa ampahafolon'ny efaha no hatao mofo iray.

Levitikosy 24