16. Ary raha miala amin'ny lehilahy ny azy, dia hanasa ny tenany rehetra amin'ny rano izy ary haloto mandra-paharivan'ny andro;
17. ary hosasana amin'ny rano ny fitafiany rehetra sy ny hoditra rehetra, izay nilatsahan'ny azy; dia haloto mandra-paharivan'ny andro izany.
18. Ny vehivavy izay andrian-dehilahy koa, dia samy handro amin'ny rano izy roroa ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
19. Ary raha misy vehivavy mararin'ny fadim-bolany, dia haloto hafitoana izy; ary izay rehetra mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro.
20. Ary ny zavatra rehetra izay andriany amin'ny andro fahalotoany dia haloto koa; ary ny zavatra rehetra izay ipetrahany dia haloto koa.
21. Ary izay rehetra mikasika ny fandriany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.
22. Ary izay rehetra mikasika ny zavatra izay efa nipetrahany dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano ary haloto mandra-paharivan'ny andro.