10. ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin'ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin'ny mamontsina,
11. dia habokana efa ela teo amin'ny hoditry ny nofony izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto izy; tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto.
12. Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin'ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr'ilay marary hatramin'ny lohany ka hatramin'ny tongony, na aiza na aiza zahan'ny mpisorona,
13. ary zahan'ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.
14. Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy.
15. Ary raha zahan'ny mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo mangenahena: habokana izany.
16. Ary raha miova ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin'ny Mpisorona izy;
17. ary raha zahan'ny mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon'ny mpisorona hoe madio izy, fa efa madio.
18. Ary raha misy fery sitrana eo amin'ny hoditry ny nofo,
19. ary misy fotsy mamontsina eo amin'ny holatry ny fery, na misy holamena, dia hiseho amin'ny mpisorona izy.
20. Ary raha zahan'ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin'ny fery izany.
21. Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy;
22. ary raha nanitra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy: habokana izany.
23. Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin'ny fery izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio.
24. Ary raha misy main'ny afo eo amin'ny hoditry ny nofo, ary hita ny may, fa mitarehi-kola-mena,
25. ary zahan'ny mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin'ny itoeran'ny mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin'ny may izany, ka hataon'ny mpisorona hoe maloto, habokana izany.
26. Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin'ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy,
27. ary raha zahan'ny mpisorona amin'ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin'ny hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.
28. Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin'ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin'ny may izany; ary hataon'ny mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.
29. Ary raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin'ny lohany na eo amin'ny saokany,
30. ary zahan'ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon'ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo amin'ny loha na eo amin'ny saoka izy.