1. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2. Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan'anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin'ny fadim-bolany no hahalotoany.
3. Ary amin'ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.
4. Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin'ny ràny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masina izy, na hiditra ao amin'ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.
5. Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin'ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin'ny ràny izay mahadio azy.