17. Dia hatolotra ho an'i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy.
18. Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin'ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin'ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin'ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.
19. Fa ny volafotsy sy ny volamena rehetra ary ny fanaka varahina sy vy dia masina ho an'i Jehovah; hatao ao amin'ny rakitr'i Jehovah izany.
20. Dia nanakora ny olona, ary notsofina ny anjomara; ary nony ren'ny vahoaka ny feon'ny anjomara, dia nanakora mafy izy, ka nirodana tamin'izay ny manda, ary niakatra tao an-tanàna samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ny olona, ka afaka ny tanàna.