8. Ary nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amorita, izay nonina tany an-dafin'i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
9. Dia nitsangana Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an'i Balama, zanak'i Beora, izy hanozona anareo.
10. Fa tsy nety nihaino an'i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin'ny tànany Aho.
11. Ary nita an'i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin'ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.