22. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin'i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
23. raha izany no nanorenanay alitara, mba hiala amin'ny fanarahana an'i Jehovah, na hanatitra fanatitra dorana, na fanatitra hohanina, na fanati-pihavanana. eo amboniny dia aoka Jehovah no hanadina;
24. fa tahotra tokoa no anton'ny nanaovanay izao; fa hoy izahay: Rahatrizay dia hanontany ny taranakay ny taranakareo hoe: Moa mifaninona akory ianareo sy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely?