13. Dia naniraka an'i Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, ny Zanak'Isiraely ho any amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, any amin'ny tany Gileada,
14. sy loholona folo lahy koa niaraka taminy, dia loholona iray isam-pirenena tamin'ny Isiraely rehetra: samy lohan'ny fianakaviany tamin'ny arivon'ny Isiraely ireo.
15. Dia tonga tany amin'ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase tany amin'ny tany Gileada ireo ka niteny taminy hoe:
16. Izao no lazain'ny fiangonan'i Jehovah rehetra: Inona izato fahotana nataonareo amin'Andriamanitry ny Isiraely, no niala tamin'ny fanarahana an'i Jehovah ianareo androany tamin'ny nanorenanareo alitara ka miodina amin i Jehovah ankehitriny?