Josoa 20:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:

2. Lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Fidio ny tanàna fandosirana izay nasaiko nolazain'i Mosesy taminareo,

3. handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon'ny mpamaly rà

4. Ary raha misy mandositra ho ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan'ny vavahady ary mandahatra ny teniny eo anatrehan'ny loholona amin'izany tanàna izany, dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana, mba hitoetra ao aminy.

Josoa 20