11. dia niakatra niankandrefana hatrany Marala, dia nahazo an'i Dabeseta ka nihatra tamin'ny lohasahan-driaka tandrifin'i Jokneama,
12. dia nitodika niantsinanana hatrany Sarida ka hatramin'ny fari-tanin'i Rislota-tabara, dia nandroso hatrany Daberata ka niakatra hatrany Jafia,
13. dia nandroso niantsinanana hatrany Gata-hefera sy Ita-kazina ka nandroso hatrany Rimona, izay mipaka an'i Nea,
14. dia niolaka eo avaratr'iny ka nahazo an'i Hanatona, dia nihatra tamin'ny lohasaha Jifta-ela.
15. Ary Katata sy Nahalola sy Simrona sy Idala sy Betlehema, dia tanàna roa ambin'ny folo sy ny zana-bohiny.
16. Izany no lovan'ny taranak'i Zebolona araka ny fokony, dia ireo tanàna ireo sy ny zana-bohiny.