Josoa 18:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.

2. Ary nisy firenena fito tamin'ny Zanak'Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.

3. Dia hoy Josoa tamin'ny Zanak'Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo ?

4. Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.

5. Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin'ny taniny ao atsimo, ary ny taranak'i Josefa hitoetra any amin'ny taniny ao avaratra.

Josoa 18