2. Ary nisy koa ho an'ny taranak'i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an'ny taranak'i Abiezera sy Heleka sy Asriela sy Sekema sy Hefera ary Semida: ireo no zanakalahin'i Manase, zanak'i Josefa, araka ny fokony.
3. Fa Zelofada, zanak'i Hefera, zanak'i Gileada, zanak'i Matira, zanak'i Manase, kosa tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran'ny zananivavy: Mahala sy Noa sy Hogla sy Milka ary Tirza.
4. Dia nanatona teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an'i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin'ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin'ny rahalahin-drainy izy araka ny didin'i Jehovah.
5. Dia nahazo anjaram-polo Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izaY any an-dafin'i Jordana,
6. satria ny zanakavavin'i Manase niara-nahazo lova tamin'ny zananilahy; ary ny tany Gileada dia an'ny zanakalahin'i Manase sisa.
7. Ary ny fari-tanin'i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin'i Sekema, dia nandroso tamin'ny ankavanana hatramin'ny mponina any En-tapoa.
8. Ary an'i Manase ny tany Tapoa; fa Tapoa kosa, izay eo amin'ny fari-tanin'i Manase, dia an'ny taranak'i Efraima.
9. Ary ny fari-taniny dia nidina hatreo atsimon'ny lohasahan-driak'i Kana; ireo tanana teo amin'ny tanànan'i Manase ireo dia an'i Efraima; ary ny faritanin,i Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka. ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
10. Ny atsimo dia an'i Efraima, ary ny avaratra dia an'i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin'i Asera teo avaratra sy tamin'Isakara teo atsinanana izy.
11. Ary Manase nahazo anjara koa teo amin'Isakara sy teo amin'i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin'ny havoana telo ireo.
12. Kanefa tsy nahazo ireo tanàna ireo ny taranak'i Manase: fa tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
13. Fa rehefa nihahery ny Zanak'Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra.