10. Ny atsimo dia an'i Efraima, ary ny avaratra dia an'i Manase, ary ny ranomasina no fari-taniny; ary nihatra tamin'i Asera teo avaratra sy tamin'Isakara teo atsinanana izy.
11. Ary Manase nahazo anjara koa teo amin'Isakara sy teo amin'i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin'ny havoana telo ireo.
12. Kanefa tsy nahazo ireo tanĂ na ireo ny taranak'i Manase: fa tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
13. Fa rehefa nihahery ny Zanak'Isiraely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy, fa tsy nandroaka azy rehetra.