Josoa 14:4-7 Malagasy Bible (MG1865)

4. Fa firenena roa ny taranak'i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin'ny tany ny taranak'i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an'ny omby aman'ondriny sy ny fananany.

5. Araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.

6. Dia nankany amin'i Josoa tany Gilgala ny taranak'i Joda; ary Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.

7. Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.

Josoa 14