6. ary ny mponina rehetra any amin'ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-maima. dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin'ny filokana ho lovan'ny Zanak'Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.
7. Ary ankehitriny zarao izao tany izao ho lovan'ny firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen'i Manase.
8. Ary niaraka tamin'ireo koa no nahazoan'ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen'i Mosesy azy any an-dafy atsinanan'i Jordana, araka izay nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, azy,
9. dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanĂ na izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,