Jona 1:1-4 Malagasy Bible (MG1865)

1. Ary tonga tamin'i Jona, zanak'i Amitahy, ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

2. Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.

3. Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan'i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin'ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan'i Jehovah.

4. Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin'ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo.

Jona 1