Joba 8:12-17 Malagasy Bible (MG1865)

12. Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.

13. Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,

14. Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.

15. Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.

16. Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;

17. Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;

Joba 8