Joba 32:10-17 Malagasy Bible (MG1865)

10. Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.

11. Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;

12. Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;

13. Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.

14. Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.

15. Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.

16. Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?

17. Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;

Joba 32