Joba 21:1-5 Malagasy Bible (MG1865)

1. Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2. Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.

3. Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.

4. Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?

5. Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.

Joba 21