20. Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.
21. Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
22. Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.
23. Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
24. Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
25. Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.