Joba 14:8-13 Malagasy Bible (MG1865)

8. Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,

9. Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.

10. Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?

11. Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,

12. Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.

13. Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy

Joba 14