Joba 10:3-8 Malagasy Bible (MG1865)

3. Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?

4. Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?

5. Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,

6. No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,

7. Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?

8. Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.

Joba 10