49. Toy ny nampiampatramparan'i Babylona ny faty tamin'ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan'ny faty amin'ny tany rehetra noho ny amin'i Babylona.
50. Hianareo izay tsy voan'ny sabatra, mialĂ , fa aza mijanona; Tsarovy Jehovah, raha mbola lavitra ianareo. Ary aoka ho mby an-tsainareo Jerosalema.
51. Menatra izahay, fa efa nandre latsa; Manarona ny atrehinay ny henatra; Fa ny hafa firenena no niditra teo amin'ny fitoerana masina amin'ny tranon'i Jehovah.
52. Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny sarin-javatra voasokitra ao koa; Ary hitoloko eran'ny taniny rehetra ny voatrobaka.
53. Na dia miakatra any an-danitra aza Babylona, ary na dia ataony mafy aza ny fitoerana avo izay heriny, dia avy amiko no hihavian'ny mpandringana azy, hoy Jehovah;
54. Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin'ny tanin'ny Kaldeana!