20. Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan'ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok'izay sisa narovako.
21. Iakaro Ibefikomiana sy ny mponina ao Arapamaliana; Ravao sy aringano manarakaraka azy, hoy Jehovah, ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.
22. Misy tabataban'ady amin'ny tany sy fandringanana be.
23. Indrisy! tapaka sy torotoro ilay fampohazan'ny tany rehetra; Indrisy! Babylona efa tonga figagana any amin'ny firenena.
24. Nofandrihako ianao, ry Babylona, ka voa, nefa tsy fantatrao akory; Hita ka voasambotra koa ianao, Satria nila ady tamin'i Jehovah.
25. Novohan'i Jehovah ny firaketany. Ka navoakany ny fitaovan'ny fahatezerany; Fa misy hataon'i Jehovah, Tompon'ny maro, any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
26. Avia avokoa ianareo rehetra hamely azy; Vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny antontan-bary, ka levony avokoa izay ao; Fa aza avela hisy sisa ho azy.
27. Vonoy ireo ombilahy rehetra, ary aoka hidina ho any amin'ny famonoana izy. Mahita loza izy, fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamaliana azy.
28. Injany! misy feon'izay mandositra sy izay afaka avy any amin'ny tany Babylona, hanambara ny famalian'i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.
29. Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an'i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona tamin'i Jehovah izy, dia tamin'ny Iray Masin'ny Isiraely.